Mpanao asa-tanana : Hisitraka fiahiana sosialy avy amin’ny CNAPS
- mardi, 15 mars 2022 16:15
Nosantarina androany ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran’ny Asa-tanana sy Hai-tao miaraka amin’ny Fitaleavan’ny hetra (DGI), ny CNAPS, ny banky BNI ary ny fandaharan’asa Fihariana.
Hisitraka tombotsoa samihafa ireo mpanao asa-tanana malagasy manomboka eto.
Tamin’ny volana janoary 2022 no natao sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa.
Tombotsoa ho azo amin’izany ny fisitrahana ny fiahiana sosialy avy amin’ny CNAPS.
Ny fazahoana fampindramam-bola avy amin’ny banky BNI, izay azahoana taha ambany kokoa, ary fahafahana tsy mamerim-bola ao anatin’ny enina Volana voalohany.
Ireo mpanao asa-tanana mikambana anaty fikambanana, ary manana ny karatra maha-matihanina no hisitraka izany tombotsoa izany.
Fikambanana 29 no nanaraka ny fanazavana sy ny fampahafantarana ny momba azy ity androany tetsy amin’ny ministeran’ny Asa-tanana sy Hai-tao.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.