Fahasalamana - Covid-19 : Tsy nahazo karama efa roa volana ny mpiasan'ny CTC

  • mercredi, 09 mars 2022 08:13
  • Sary nindramina

Tsy nandray karama mihitsy ny volana janoary sy febroary 2022 ireo mpiasan'ny toeram-pitsaboana vonjimaika entina miady amin'ny valanaretina Covid-19 na ny CTC.

Nisy anefa fifanarahan'asa nifanaovana tamin'izy ireo, ka gaga ihany izahay hoy ireto mpiasa ireto raha ampiditra mpiasa ny fanjakana nefa tsy vonona akory ny enti-manana amin'izany.

Tsy CTC iray no tsy nandray karama fa izy rehetra mihitsy. Ary dia ilana fiantsoana mpanao gazety lava hatrany ve vao ahazo ny tambi-karamany ireo mpiasa manolotra ny ainy miady amin'ity areti-mandripaka olona maro ity, hoy hatrany ireto solo-tenan'ny mpiasa ireto.

Isaky ny misy fitakiana, dia milaza hatrany ny ministeran'ny fahasalamana fa eo andalam-pikarakarana izany izy ireo.
Maro anefa ireo mpiasa namoy ny ainy, ankoatr'ireo tsy salama nitondra takaitra vokatry ny fiatrehana mivantana ity valanaretina ity.

Marihina moa fa ireo hopitaly lehibe teto Antananarivo dia tsy nahazo famatsiam-bola na ny ariary aza avy amin'ny ministeran'ny fahasalamana ny taon-dasa 2021, na dia amina miliara ariary maro aza ny sora-bola voarakitra ao anaty tetibolam-panjakana.

Entina aiza ity fahasalamam-bahoaka ity?

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.