Baba James : Manohy ny asa sosialy fanaony

  • lundi, 21 février 2022 10:31
  • Sary nomena

Nanohy ny asa sosialy efa fanaony i Hariss Theodore dit Baba James izay PDG Baba experts service Chine, orinasa mpanafatra entana avy any Chine sy mpanampy ary mpikirakira ireo mpiatsena any Chine manokana, ka mandefa izany avy hatrany aty Madagasikara ao anatin'ny fotoana fohy.

Tanora iray izay mendrika alain'ny tanora Malagasy tahaka tokoa i Baba James, na eo aza ireo olana maro samihafa nateraky ny valanaretina Covid-19, ka mampanano-sarotra ny fivezivezena any Chine, dia mahita vahaolana hatrany ny tovolahy sy ny orinasa tantanany, hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa sy ireo mila ny fanampiana ara-barotra ataony.

Hariss Theodore dit Baba James indray izao no mitarika ny association D3M (District Mahabo Mahity Miaraky), izay nanaovany asa sosialy goavana iray mitondra ny lohahevitra hoe "Valy babena", satria ny Distrika Mahabo nahaterany no nitsongainy manokana amin'izany, ka nanomezany Terrain basket-ball mixte manarapenitra, miaraka amin'ny Tableau Vitré plexiglass sy cerceau flexible, izay tsy mena-mitaha amin'ny hafa.

Tanora mahatsapa ny faritra nipoirany i Baba James, ka manao jery todika sy Valy babena, mizara izay vitany amin'ireo Tanora maro te hiposaka any amin'iny Faritra Mahabo iny.

 

Nanolotra Fanamina ho an'ny Police communale, ny D3M, izay miaraka amin'ny Menabe connexion association reniny, ho famaliana ny fangatahana nataon'ny Ben'ny Tanàna Mr Olivier, izay tanora mihetsika sy teraky ny tanàna naman' izy ireo ihany koa.

Tsy nasian'i Baba James latsaka, miaraka amin'ny D3M sy ny equipany tamin'ny 19 febroary lasa teo, ka nanolotra Nofokena mitampihavanana niaraka tamin'ireo Ray aman-dreny 500 mahery mpitarika ao amin'ny Distrika Mahabo.

Ary nifarana tamin'ny tournoi football izay nanomezany Maillot 5 lots ho an'i Club naharesy 5 tao ihany, sy ireo mpilalao mamiratra hoan'ny mpandresy lahy sy vavy tamin'io tournoi football io.

Nomena ihany koa ireo Maillot ho an'ireo mpilalao basket-ball lahy sy vavy tao.

Hita arak'izany fa maro ireo tanora aty Mahabo no miandrandra hanao modely ity tanora vao misandratra ity.
Nanamarika anefa Baba james fa tsy manao politika izy, ary tsy izay no tanjona nanaovana izao hetsika goavana sy asa sosialy izao fa Valibabena ho an'ny tanànany sy fanomezany voninahitra ny Ray amandreniny niteraka azy, izay mbola velona avokoa ao amin'ny Distrikan'i Mahabo amin'izao.

Ary dia nisaotra ny fitondrana ankehitriny ihany koa izy izay mivoy tokoa ny fanohanana ny tanora handray andraikitra ifotony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.