Tsena Mora : Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany tao Toamasina

  • mardi, 01 février 2022 19:51
  • Sary nindramina

Tonga nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny Tsena Mora taty Toamasina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady sy ireo mpikambana sasantsasany ao amin'ny Governemanta, olom-boafidy ary tompon'andraikitra isan-tsokajiny aty an-toerana.

Navoitran'ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, raha nandray fitenenana izy fa napetraka mba hifampitsinjovana ny Tsena Mora ka mila arovana.

"Ny fahavalon'ny Tsena Mora dia ny halatra", hoy ny Minisitra androany tao an-tsenan'i Tanambao V, raha nampitandrina izay mety hanana hevi-dratsy. Fongorina koa ny kolikoly, tontakely ary mpanararaotra.

Marihana fa hisokatra indroa isan-kerinandro ny Tsena Mora izay ahitana ny Vary Mora amin'ny vidiny 1000 Ariary ny kilao, ary menaka amin'ny vidiny 5000 Ariary ny litatra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.