Boriborintany faha 2 : Mitohy ny fitetezana sy fanampiana ireo Traboina

  • mardi, 01 février 2022 19:24
  • Sary nomena

Manohy ny fitetezana sy fanampiana ireo traboina ny Solombavambahoaka voafidy teto amin'ny Boriborintany faha 2, sady kestora eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, Lanto Rakotomanga, tetsy amin'ny fokontany Miandrarivo, Mahazoarivo ary Mandroseza.

Fizarana akanjo sy lamba fitafy no natao tety an-toerana, niarahana tamin'ny ministeran'ny mponina, izay nisaoran'ny Depioté Lanto Rakotomanga manokana ny ezaka sy fanampiana ny mponina eto amin'ny Boriborintany faha 2 nandritra izay fotoan-tsarotra izay.

Nisaotra ihany koa izy, ireo mpitandro filaminana izay tsy nitsahatra nanampy ireo traboina maro teto Antananarivo. Ny firaisankina tokoa, hoy hatrany ity Solombavam-bahoaka ity, no hery ary ny fifankatiavana no ahafahantsika mifanampy.

(Jereo sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.