Hôpital Fianarantsoa : Tsy mandeha ny scanner, voatery miaka Antananarivo ireo marary

  • jeudi, 27 janvier 2022 19:57
  • Tahirin-tsary nindramina

Mijaly ny marary mila scanner eto Fianarantsoa, scanner simba efa fotoana maro izay.

Samy miezaka amin'ny fitsaboana ireo mpitsabo, ny fianakaviana mamoaka vola, ary mamorona ny tsy misy aza, nefa tsizarizary ny fitaovana entina mitsabo.
Renivohim-paritany lehibe tahaka an'i Fianarantsoa, nefa tsy misy scanner, izay fitaovam-pitiliana ilaina amin'ny fitsaboana marary maro.

Voatery entina miakatra amin'ny fiarakodia amin'ny halaviran-dalana 400km mandritra ny 9ora ilay marary mafy. Miaraka amin'ny dokotera izay aloa vola, ny fanafody ilaina an-dalana rehetra.

Maro ireo mamoy ny ainy eny an-dalana.

raka ny vaovao azo eo anivon'ireo mpitsabo, dia tsy Fianarantsoa ihany no simba ny Scanner, satria tsy misy ireo fikojakojana izany.

Ireo hopitaly lehibe eto Antananarivo aza moa tsy nahazo ny anjara vola fampandehanan-draharaha ny taona 2021 ngarangidina.

Ny trano lehibe lazaina manarapenitra, maro no ahitana fahasimbana, mitritra ny rindrina sy ny fanambaniny, ao ireo dobo rano vao fotoam-pahavaratra.

Ny mpitondra nifandimby miazakazaka manao fotodrafitrasa, nefa ny politikam-pitsaboana tsy arakarak'izay.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.