Voin-kava mahatratra : Fanomezana fanampiana nataon'ny Terak'i Androy hoan'ireo tratran'izao loza izao ao Antananarivo

  • mercredi, 26 janvier 2022 17:07
  • Sary nindramina

Manoloana izao loza mahazo ny mponina ao an-drenivohitra dia Tonga nitondra fanampiana ho azy ireo ny vahoakan'ny Faritra ANDROY tamin'ny alalan'ny FITEAM (Fikambanan'ny Terak'i Androy eto Madagasikara).

Tonga nanatitra izany fanampiana izany moa ny Filoha mpitarika ny FIZAFATO no sady Kestiora voalohany eny anivon'ny Antenimieram-pirenena Atoa Jean Michel Henri, ny Minisitry rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, no Minisitra Mpiahy ny Faritra ANDROY, Ladislas Adrien Rakotondrazaka,ny Minisitry ny Jono sy ny toe-karena manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert ary ny Filohan'ny FITEAM Atoa Jacques Bruno Fils Goulamaly.

Vary 60 lasaka, Savony 30 baoritra ary lelavola mitentina roa tapitrisa Ariary (2 000 000Ar) no natolotra,ka ny Tale Jeneraly eo anivon'ny BNGRC no nandray izany.

Tanan-kavia sy havanana ka izay didia maharary hoy ireto delegasionina mafonja ireto.

Mahavelombolo ny mahita ny firaisankinan'ireto zanaky Faritra ANDROY ireto hoy ny Jeneraly Elack Andrianjaka talé jeneralin'ny BNGRC.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.