Kaominina Sihanamaro : Famoràna faobe nokarakarain'i Kestiora Jean Michel Henri

  • samedi, 06 novembre 2021 12:14
  • Sary nindramina

Taorian'ny Ambovombe Androy, dia notohizan'Atoa Député Jean Michel Henri, Kestiora Voalohany ao amin'ny Antenimieram-pirenena, ny asa sosialy izay nataony, ka dia niroso tamin'ny Famoràna faobe, tao amin'ny Kaominina Sihanamaro, Distrika Ambovombe, Faritra Androy.


Vahoaka an'arivony dibon-kafaliana no nandray sy nitsena an'Atoa Depiote Jean Michel Henri sy ny Governoran'ny Faritra Androy tao Sihanamaro.

Zaza lahy maherin'ny Dimanjato no noforaina tao Sihanamaro, ary samy nahazo fanomezana toy ny vary, savony, bonbons, biscuits, sy kilalao ary malabary avokoa ireo zaza ireo taorian'ny famoràna.

Velom-pisaorana ireo Ray aman-dReny nahazo izao fahasoavana sy fanampiana lehibe izao.

Ankoatran'ny asa sosialy, dia nitafa mivantana tamin'ireo Sefo Fokontany sy ny Vahoaka ao amin'ny Kaominina Sihanamaro ny Kestiora Jean Michel Henri, nanao tatitra ny zavamisy eto Androy sy eto amin'ny Firenena, ary koa nihaino ireo zavatra manahirana azy ireo aty an-toerana.

Nisaotra hatrany ny Ministry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana Siantifika, ary ny Governoran'ny Faritra Androy, niara-nifarimbona ka naha tanteraka izao hetsika izao ny Solombavambahoaka Jean Michel Henri.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.