Salon International de l'Habitat : Tanterahina mandritra ny hefarana etsy Tanjombato

  • jeudi, 04 novembre 2021 20:12
  • Sary nindramina

Nisokatra nanomboka androany ary haharitra efatra andro etsy amin'ny Forello Expo Tanjombato ny Salon International de l'Habitat andiany fahatelo.

Anisany nivoitra nandritra ny fanokafana ity hetsika ity teny Tanjombato, androany ny nanambaran’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard, fa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay maniry ny hisitraka ny trano fonenana sahaza « logements sociaux ».

Afaka misoratra anarana amin’ny tranokalan’ny ANALOGH www.analogh.mg ireo maniry hisitraka ny trano fonenana sahaza.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.