Kaominina Mantasoa : Mponina miisa 4 000 eo hahazo vaksiny Johnson&Johnson maimaim-poana

  • dimanche, 17 octobre 2021 13:09
  • Sary nindramina

Nanomboka ny alakamisy lasa teo ny hetsika fanaovam-baksiny Covid-19 ataon’ny tobim-pahasalamana CSB II ao Mantasoa, izay tohanan’ny Corps de la Paix eto Madagasikara.

Mponina miisa 4 000 eo ho eo avy amin'ny fokontany 11 any Mantasoa no hahazo vaksiny Johnson&Johnson maimaim-poana izay fanomezana avy amin'ny governemanta amerikana.

Ity hetsiky ny Corps de la Paix ity dia niatomboka tamin'ny fiofanana momba ny fikarakarana hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny Covid-19 sy ny fitantanana ireo toerana fanaovam-baksiny.

Mpanentana ara-pahasalamana miisa 20 sy Filoham-pokontany miisa 11 ary mpiasan'ny Corps de la Paix miisa 32 no nandray anjara tamin’izany.

Hitohy hatramin’ny volana novambra ny fanentanana momba ny fanaovam-baksiny ataon’ny mpiasan'ny Corps de la Paix sy ny mpiasan’ny fahasalamana, sy hamalian’izy ireo izay fanontaniana sy ahiahy momba izany. Hapetraka ihany koa ny ivontoerana fanaovam-baksiny isaky ny Fokontany.

Tamin’ny 14 oktobra lasa teo ohatra dia nikarakara hetsika fanaovam-baksiny ny mpiasan'ny Corps de la Paix sy ny CSB II tao Andrefanivorona, ary koa iray hafa tao Masombahiny ny 15 oktobra.

Hatramin'ny nanombohan'ny fanentanana momba ny fanaovam-baksiny tamin'ny 3 Oktobra, dia nahitana fiakarana ny tahan'ny fanaovam-baksiny.

Ity hetsika fanaovam-baskiny ity dia endrika iray amin’ny fanohanan'ny Etazonia ny ezaka manerantany hanitarana sy hanamafisana ny ady atao amin'ny Covid-19 any ivelany, hiatrehana ireo krizy hafa nateraky ny Covid-19 ary hanohanana ny famerenana amin'ny laoniny ny fiainana maneran-tany, ary koa hiomanana amin’ny fiatrehana ny mety hisian’ny valanaretina hafa any aoriana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.