Hôpitaly Miaramila Soavinandriana : Hisy toeram-pandidiana fo, maimaimpoana ny « premiers soins »

  • mercredi, 13 octobre 2021 10:06
  • Sary nindramina

Notokanana tamin'ny fomba ofisialy ny talata 12 oktobra 2021 ny sampandraharaha misahana ny vonjy aina nasiam-panavaozana sy fanitarana tao amin'ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana, izay feno 130 taona ankehitriny.

Nanome toromarika ny filoha Andry Rajoelina, izay tonga nitokana ny asa fanavaozana sy fampitaovana, fa ireo marary rehetra tonga manatona ity sampandraharahan'ny vonjy aina ity dia tsy maintsy raisina avy hatrany ary tsy mandoa vola fa maimaimpoana ny « premiers soins ».

Nambarany fa misy tetibola ho atokan’ny fitondram-panjakana hametrahana ny lamina eny anivon’ireo toeram-pitsaboana maro mba handraisana an-tanana an'ireo marary izay tena sahirana ara-pivelomana, na ilay antsoina hoe: "Fonds d’urgence sanitaire ».

Hipetraka eto amin’ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana, hoy izy, ny toeram-pandidiana fo fanaovana « opérations à coeur ouvert » voalohany eto Madagasikara.

Tsiahivina fa marary manodidina ny 160 isan'andro no zahana ao amin’ity hôpitaly ity raha manodidina ny 600 isam-bolana no miditra hôpitaly.

(Jereo sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.