Faritra Amoron'i Mania : Mizotra tsara ny fananganana ireo Tobi-pahasalamana

  • mercredi, 06 octobre 2021 14:45
  • Sary nindramina

Mandeha tsara ny asa rehetra ato anatin'ny distrika efatra mandrafitra ny faritra Amoron'i Mania, izay veliranon'i Filoham-pirenena no ezaka himasoan'ny ministeran'ny fahasalamana sy ny Governora-paritra izay tarihan'ny Ramatoa Mamiarisoa Aline.

Ny teny filamatra amin'izany dia ny "fahasalamana hoan'ny rehetra".

Hita amin'izany ny fotodrafitrasa antsangana ao amin'ny :

- Kaominina ambanivohitra Talata Vohimena, distrika Manandriana, CSB Matoka ;
- Kaominina ambanivohitra Fiadanana, distrika Fandriana, CSB Vinanimasina ;
- Kaominina ambanivohitra Mandrosonoro, distrika Ambatofinandrahana, CSB Maroanakomby, eo ihany koa ny fanarenana ny CTC Ambatofinandrahana ; - Kaominina ambanivohitra Ankazotsararavina, distrika Ambositra, CSB Ankazotsararavina ;
- Kaominina Ambovombe centre, distrika Manandriana, hopitaly manara-penitra efa mamaraparana ny famitàna azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.