Asa sosialy : Nanala fahasahiranana ny vahoaka ny famorana faobe nataon'ny depiote Jean Michel Henri
- mardi, 21 septembre 2021 16:40
- Sary nindramina
Nanatanteraka famorana faobe tamin’ireo Kaominina maro tao anatin’ny Distrika Ambovombe Faritra Androy, ny solombavam-bahoaka voafidy tao amin’ity Distrika ity sady Kestora voalohany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, Jean Michel Henri.
Tao amin'ny Kaominina Andalatanosy no namaranana io hetsika famorana faobe io. Feno hafaliana ny vahoaka maro teo am-pandraisana sy fitsenana ny solombavam-baoaka Jean Michel Henri tao Andalatanosy, sady velom-pisaorana amin'ilay asa sosialy izay atao, no faly koa fa namangy azy ireo ny depiote izay nofidin'izy ireo.
Toy ny tamin'ireo toerana hafa, dia nahazo ny anjarany koa ny ankizy tao Andalatanosy, toy ny vary, savony, kilalao, malabary, vatomamy ary biskoitra.
Nanampy sy nanohana hatrany an'i depoite Jean Michel Henri tamin'izao hetsika sosialy izao ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice sy ny Governoran'ny Faritra Androy Soja T. Lahimaro.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
https://gasypatriote.com/sociale/item/27002-asa-sosialy-nanala-fahasahiranana-ny-vahoaka-ny-famorana-faobe-nataon-ny-depiote-jean-michel-henri.html#sigProGalleriac4fd76e502
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.