CISCO Tolagnaro : Mpampianatra ENF miisa 186 nahazo taratasy fifanarahana arak’asa

  • mardi, 21 septembre 2021 10:47
  • Sary nindramina

Nitsidika tao Taolagnaro Faritra Anôsy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle.

Nandritra izany no nanolorana ny taratasy fifanarahana arak’asa ho an’ireo Mpampianatra ENF miisa 186 noraisina ampahibemaso.

Teo koa ny fanolorana ireo fitaovam-pianarana, kapa, "tables bancs" sy "tablettes".

Nampahafantariny ihany koa fa hampiharina amin'ity taom-pianarana ity ny fanomezana fampisakafoana CEG miisa 34 sy Lycée miisa 10 ao amin'ny Distrikan'i Tolagnaro.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.