Ambovombe-Androy : Natomboka ny fizarana ireo sakafo voahomana ho an’ireo olona ianjadian’ny kere
- mardi, 21 septembre 2021 10:41
- Sary nindramina
Notanterahina ny alatsinainy 20 Septambra 2021, ny fanokafana ny fizarana ireo tohana ara-tsakafo "Fonosana sakafo Voahomana" na "Humanitarian Daily Ration" (HDR) ho an'ireo olona ianjadian'ny tsy fahampian-tsakafo mitarazako na kere any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana manokana, izay fanomezana avy amin'ny fitondram-panjakana Amerikanina tamin'ny alalan'ny Masoivohony, izay monina sy miasa eto Madagasikara.
Olona marefo miisa 200 no nisitraka ireto fizarana HDR miisa 200 baoritra andiany voalohany ireto, izay lisitra avy amin'ny Masera "Fille de la Charité" Ambovombe.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.