Mpianatra afaka bakalorea 2020 sy 2021 : “ Tsy mifanitsaka ny fampidirana azy eny amin’ny oniversite sy IST”
- mardi, 21 septembre 2021 10:31
“ Tsy mifanitsaka ny fampidirana azy eny amin’ny oniversite sy IST”, hoy ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Profesora Assoumacou Elia Béatrice tetsy amin’ny « Salon de l’ Étudiant et de l’Emploi » tetsy Anosy, raha nanontanian’ny mpanao gazety izy momba ny fandraisana ireo mpianatra afaka Bakalorea andiany roa : 2020 sy 2021 ho an’ity taom-pianarana 2020-2021 ity, araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny COPRIES.
Nanambara ny Minisitra fa ireo afaka Bakalorea ny taona 2020 dia efa nahavita ny fifaninanana hidirana taona voalohany tamin’ny volana aprily sy volana mey lasa teo. Ireo vao afaka Bakalorea tamin’ity taona 2021 kosa dia mbola eo ampiandrasana ireo taratasy manamarina io fahafahany Bakalorea io, toy ny “diplôme, ny « Attestation » ary ny « Relevé des notes ». Tsy misy ny fifanitsahana hoy ny minisitra.
Etsy ankilany dia nanamafy izy fa efa nisy ny lamina napetraka nandritra ny COPRIES izay niarahana tamin’ny Filohan’ny Oniversite sy ny Tale Jeneralin’ny IST ary ireo lehiben’ny sampam-pianarana samihafa misy eto Madagasikara, ka entanina ny mpianatra mba hanatona ireny toeram-pianarana ireny haka ny fanazavana misimisy kokoa.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.