Dola Perline : Vehivavy tokana mpihanika andrin-jiro eo anivon’ny JIRAMA

  • vendredi, 17 septembre 2021 20:21
  • Sary nindramina

Injeniera nivoaka tao amin’ny Oniversite Polyteknikan’Antsiranana i Dola Perline. 30 taona ity farany, isan’ireo vehivavy teknisiana miasa eo anivon’ny orinasam-panjakana Jirama.

Vehivavy tokana mpihanika Andrin-jiro eo anivon’ny JIRAMA i Dola Perline. Ao amin’ny sehatry ny Fitsinjarana Herinaratra JIRAMA Antsiranana no misy azy, misahana ny « branchement, tirage des lignes, dépannage, … ».

Nanaitra ny maro ny nahita an’i Perline nandritry ny asa fametahana jiro manazava ny tanàna teo Ramena Antsiranana.

Mendrika ho deraina ny vehivavy toa an’i Perline, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Andry Ramaroson.

Noraisin’ny Minisitra an-tanana ny fanohizan’i Perline ny fianarany any ivelany, hananany ny mari-pahaizana « Doctorat en génie électrique ». Aorian’ny fahavitàn’i Perline ny fianarany, hanohy hiasa eo anivon’ny JIRAMA hatrany izy ho fampiroboroboana ny herinaratra eto Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.