Fananan-tany : Manana ny sarin-tany tena izy raisina avy amin’ny zanabolana i Madagasikara

  • vendredi, 17 septembre 2021 20:12
  • Sary nindramina

Efa manana ny sarin-tany tena izy raisina avy amin’ny zanabolana i Madagasikara ankehitriny, ary efa miasa ny fiaramanidina maka ny sarin-tany ahafahana mamoaka bokin-tany sy karatany mifanaraka amin’ny tena izy, mba hisorohana ny resaka fifanitsahana sy adin-tany manerana ny Nosy.

Nivoitra io nandritra ny lanonana fizarana karatany, ny alakamisy 16 Septambra 2021, tao amin’ny Kaominin’i Ambohidranandriana, Distrikan’i Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra, izay notarihin’i Atoa Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany.

Karatany miisa 22 200 no voazara, ka Kaominina miisa dimy no nisitraka izany, dia Ambohidranandriana, Ambatomena, Ambohitsimanova, Tsarahonenana Sahanivotry ary Ambohimiarivo.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.