Vaksiny hiadiana amin’ny Covid-19 : Nanome 302 750 fatra ho an’i Madagasikara i Etazonia

  • mercredi, 28 juillet 2021 09:48
  • Sary nomena

Nanome vaksiny Johnson & Johnson miisa 302 750 ho an’i Madagasikara i Etazonia ao anatin’ny ezaka manerantany hiadiana amin’ny valanaretina Covid-19, izay ataon’ny fitondrana Amerikana.

Ireo vakisiny ireo dia tafiditra ao anatin’ny fampanantenan’i Etazonia hanome vaksiny miisa 25 tapitrisa ho an’i Afrika amin’ireo vaksiny miisa 80 tapitrisa nomena an’izao tontolo izao.

Vaksiny tsindrona indray mandeha tsy ilana famerenana ny Johnson & Johnson.

Tonga nitsena ny fahatongavan’ny vaksiny ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Dr Tehindrazanarivelo Djacoba Oliva, ny Mpiandraikitra voalohany ao amin’ny Masoivoho Amerikanina Rtoa Amy Hyatt, ny Solontena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara Atoa Michel Saint-Lot ary ireo talen’ny kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Nandritra ity ady amin'ny valanaretina ity dia mitentina roa tapitrisa sy dimy hetsy dolara (2 500 000 dollars) ny famatsiam-bola, noho ny hamehana, nomen’i Etazonia hanohanana ny governemanta Malagasy manoloana ny Covid-19.

Nanampy tamin’ny famatsiana sy ny fanapariahana ny vakisiny ihany koa i Etazonia, ary mitentina dimy tapitrisa dolara (5 000 000 dolars) ny fandraisany anjara tamin’ny fandaharanasa nanomezana tohana ara-bola, “Tosika Fameno”, nanampiana ireo fianakaviana marefo tamin’ireo tanan-dehibe tena voa mafy, mba ho afaka hisakafo ampy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.