Mpianatr’Ankatso : Manatanteraka asa an-tsitrapo eny Ambohijoky

  • mercredi, 23 juin 2021 18:49
  • Sary nomena

Herinandro izao ireo tanora mpianatra vavy sy lahy vitsivitsy avy eny Ankatso no mirotsaka an-tsehatra any amin’ny Kaominina ambanivohitr’Ambohijoky, ao atsimon’Antananarivo.

Sady manatanteraka fiofanana arak’asa izy ireo no manao tantsoroka maimaimpoana eo amin’ny lafiny fampandrosoana eny ifotony mandritra ny iray ka hatramin’ny telo volana eo.

Anisan’ny raharaha sahanin’izy ireo amin’izany ny fanampiana ny kaominina amin’ny famolavolana ny drafitra fampandrosoana kominaly (PCD).

Fitaovana iray lehibe ilaina izy io, saingy tsy mbola manana izany Ambohijoky, araka ny fanamarihana nentin’ny mpanentana ireo mpianatra ireo.

Hojeren’ireo mpianatra ireo manokana, noho izany, ny sehatra rehetra, indrindra ny lafiny rano an-tanàna sy an-tsaha.
Ny drafitra fampandrosoana isam-pokontany (PDF) no hiaingana amin’izany.

Ireo mpianatra ireo no nanoina ny antson’ny mpiandraikitra fikambanana iray avy eny Ambohijoky taorian’ny fanentanana nataony mba ho fampandraisan’anjara ny tanora amin’ny fampandrosoana eny ifotony.

Avy ao amin’ny sampam-piofanana sôsiôlojia sy ny siantsa momba ny rano izy ireo.

Efa nisy ny fihaonana tamin’ny tompon'andraikitra toy ny Ben’ny tanàna sy ny Sefo fokontany ary ireo mpisehatra samihafa eny an-toerana.

Ifandrombahan’ny mpianatry ny ambaratonga ambony ny fanaovana asa an-tsitrapo any amin’ny tany mandroso.
Manampy azy ireo tokoa amin’ny fianarana ataony sy ny firotsahany amin’ny sehatry ny asa izany.

Azo lazaina ho tsy mbola tafiditra amin’ny fahazaran’ny tanora amin’ny tany mahantra toa an’i Madagasikara kosa ny fanao tsara toy izany.

Ankotra ny tsy fahazarana dia eo ihany koa ny mety ho tsy fahampian’ny fanentanana.
Saika mazàna atao fitaovana politika fotsiny ny tanora any amin’ny tany mahantra fa tsy omena tandrifin-tsehatra sahaza azy.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.