RN33A: Nanavotra olona naratra ny miaramilan’ny ZRPS DELTA Tsaratanana

  • mardi, 29 octobre 2019 21:28
  • Sary Fiarovam-pirenena

Fihetsika mahatehidera no nasehon’ny ZRPS DELTA Tsaratanana omaly, nanavotra lehilahy iray naratra vaky loha vokatry ny fianjerana. Tsy nisalasala ny avy ao amin'ny Tafika nandray sy nitondra ity maratra ity, izay sendra azy ireo teny an-dalana, nandritra ny fisafoana tamin’ny lalana RN33A mampitohy an'i Tsaratanàna amin'ny sampanan-dalana Ambondromamy, ka nitondra azy ho tsaboina any Ambondromamy.

Izao hoy ny mponina no tena andrasana amin'ny Tafibahoaka, hanampy sy hiaro azy amin'ny sarotra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.