Toetrandro: Mbola ho ambonin’ny 30°C ny hafanana ho an’Analamanga sy Vakinankaratra

  • lundi, 28 octobre 2019 14:35

Nahitana fiakarany 06°C ny volana Oktobra ny maripàna ambony sy ambany indrindra ho an’Antananarivo, Fianarantsoa, Mahajanga, Antsirabe, Ranohira, Toliary izay nanamontsana ny maripàna voarefy hatramin’izay tao anatin’ny telo andro lasa.

Nanomboka tamin’ny 25 oktobra 2019 io fiakarana misongadina be ny maripàna ambony sy ambany indrindra io, araka ny fanazavan’ny avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro.

Mety mbola hitohy ao Menabe, ny any Atsimo ary ny ao Analalava ny hafanana ambony na mitovy ny 40°C mandra-pahatongan'ny alakamisy 31 oktobra 2019. Mety mijanona ho avo, ambonin'ny 30°C, ihany koa ny ao Analamanga sy Vakinankaratra hatramin’ny alarobia 30 oktobra 2019 ho avy izao.

Manentana ny mponina ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, manoloana izao fidangan’ny hafanana izao, mba hisotro rano betsaka ; tsy mankeny amin'ny ankalamanjana loatra, izay mivantana amin’ny masoandro, na mitondra elo sy satroka; mila manantona mpitsabo ny olona marefo ara-pahasalamana raha misy mampiahiahy; ary mila mitandrina ny rehetra amin’ny mety ho pitik’afo sy ny tandrevaka satria manamora ny fiparitahan’ny afo ny toetr’andro amin’izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.