Antsirabe: Mikorontana ny famatsiana rano

  • jeudi, 24 octobre 2019 14:56
  • Tahirin-tsary nindramina

Mihamafy ny fikorontanan’ny famatsiana rano eto an-tanàn’Antsirabe amin’izao fotoana izao, araka ny fampitam-baovaon’ny orinasa Jirama. Fokontany maromaro eto an-drenivohitr’i Vakinankaratra no voakasik’izany.

Fihenan'ny farihin'Andraikiba, ary ny loharano eny Marofangady, izay toerana misy ireo toby roa famokaran-dranon’ny JIRAMA Antsirabe noho ny main-tany no voalaza fa antony.

Milina fampakaran-drano roa amin’ireo efatra sisa no miasa ao Andraikiba, raha toa ka loharano iray amin'ireo telo eny Marofangady no azo ampiasaina ho amin’ny famokarana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.