Ambohitrimanjaka: Nifampiresaka sy nihaino ny feon’ny vahoaka ireo Senatera

  • lundi, 21 octobre 2019 22:43
  • Sary nomena

Nanatanteraka fidinana ifotony teny Ambohitrimanjaka, androany alatsinainy 21 oktobra 2019, ireo Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Faritanin’Antananarivo izay nahitana ny Loholona Ramalason Olga, Ramahavalisoa Hanitra, Rakotoarisoa Bakolinirainy, Rakotozafy Martin, Randriamalalarison Xavier, Ramparison Luc ary Randriamanatsoa Jafetra izay Loholona avy amin’iny Faritra iny.

Nijery sy namantatra izay tena zava-misy marina izy ireo, amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona, ary koa nifampiresaka sy nihaino ny feon’ny vahoakan’Ambohitrimanjaka.

Nilaza ny solontenan’ny vahoaka nandray fitenenana fa tsy manda io tetikasa Tana-Masoandro io ny mponin’Ambotrimanjaka, fa mba mangataka ny hijeren‘ny fitondram-panjakana toerana hafa hanatanterana izany fotodrafitr’asa izany. Namafisin’ny solontena nandray fitenenana ihany koa fa Ambohitrimanjaka dia isan’ny mpamatsy vary ny tananan’Antananarivo, ka noho izany dia mangataka izy ireo ny mba tsy hanotofana ny tanimbary.

Nanambara ny Loholona Rakotozafy Jean Martin manoloana izany fa ny fifampiresahana ihany no zava-dehibe, ahafahana mamaha olana. Nampanantena ny hitondra ny hetahetan’ny vahoakan’Ambotrimanjaka eny amin’ny tompon’andraikitra voasahana amin’izany tetikasa Tana-Masoandro izany, ary nilaza fa hanao ny ezaka rehetra ihany koa hampihaona an’ireto vahoaka ireto amin’ny Governemanta.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.