Pr Rasoazananera Marie Monique: Voafidy ho mambra ny biraon’ny « Réseau francophone des femmes responsables dans l’enseignement supérieur et la recherche »

  • lundi, 21 octobre 2019 20:03
  • Sary nindramina

Notanterahina tao amin’ny « Maison du Maroc » ao amin’ny « Cité internationale universitaire » ao Paris renivohitr’i Frantsa ny 17 oktobra teo ny fivoriamben’ny « Réseau francophone des femmes responsables dans l’enseignement supérieur et la recherche (RESUFF) », fihaonana nandinihana ny toeran’ny vehivavy eo amin’ny fampianarana ambony, indrindra amin’ireo firenena mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay, sady nanavaozana ny biraon’ny fikambanana.

Mpizaika 90 avy amin’ny firenena frankôna 10 no nandray anjara. Voafidy ho mpitam-bola mpanampy ao amin’ny biraon’ny RESUFF i Pr Marie Monique Rasoazananera, minisitry ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa teo aloha, efa filohan’ny oniversiten’i Fianarantsoa, ary solombavambahoaka voafidy ao Ambositra ankehitriny.

Pr Leila Saadé, avy ao amin’ny oniversiten’i Liban no voafidy ho filohan’ity fikambanana ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.