Antsirabe: Tetikasa maromaro no hatomboka

  • dimanche, 20 octobre 2019 14:44
  • Sary nindramina

Ahazo « Campus Universitaire » miaraka amin’ireo fitaovana manaraka ny toetr’andro hahatonga azy ho oniversite manara-penitra Antsirabe. Eny amin’ny tany malalaky ny Piste Vatofotsy no hametrahana ny fotodrafitr’asa, ary amin’ny fidiran’ny taom-pianarana manaraka dia efa azon’ny mpianatra hianarana.

Hapetraka ny fitaovana eny Ambatofinandrahana Andrefan’Ivohitra mba hampakarana ho 700m3 isan’ora ny tahan’ny rano fisotro madio azo jifaina eto Antsirabe, raha 450m3 isan’ora izany ankehitriny. Hovitaina mialohan’ny faran’ny taona ny asa.

Hisy ny fametrahana « Parc de panneau solaire » ary hamoaka angovo 5MW ka ny « Université annexe » eny Tsaratanana – Vinaninkarena no hisitraka izany voalohany.

Nahazo trano hanaovana fihofanana mahakasika ny tetikasa « FIHARIANA » Antsirabe, izay miorina eny Ambaniandrefana, ary hifanindran-dalana amin’izany ny tolotra sy fampitaovana ho an’ny tontolon’ny famokarana.

Hovitaina alohan’ny faran’ny taona ny Kianja mitafo eo Vatofotsy, ary hatao manara-penitra. Hisy dobo filomanosana eo ivelany, ary azo hafanaina ny rano hampiasaina aminy. Ahazo kianja manara-penitra ihany koa Antsirabe.

Hisy ny fananganana “Village Communautaire” eo Vinaninkarena ka trano miisa 100 no haorina ho an’ireo olona marefo ara-pivelomana, ka sady homena biby fiompy izy ireo mba ahafahany mivelona sy manatsara ny fari-piainany.

Santionany amin’ireo tetikasa tanterahin’ny fanjakana eto Antsirabe ireo, nambaran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny diany teto an-drenivohitry ny Faritra Vakinankaratra.

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.