Antananarivo: Hisy fitsarana faobe ho an’ireo miandry ny fitsarana any am-ponja amina adi-heloka tsotra sy ny ady madio

  • jeudi, 17 octobre 2019 21:43

Hatomboka amin’ny 21 oktobra ny fanaovana fitsarana faobe « Audience Foraine » eto Antananarivo, hitsarana ireo adi-heloka tsotra izay miandry ny fitsarana azy ireo any am-ponja.

Atao izao mba hamerenana amin’ny laoniny ny raharaham-pitsarana amin’ny alalan’ny fitsarana, araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Hitarina manerana ny Nosy ity « Audience Foraine » ity satria mahatratra 60% mameno ny fonja ireo olona miandry ny fitsarana azy ireo noho ny resaka adi-heloka tsotra sy ny ady madio, hoy hatrany ny Filoham-pirenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.