JR Métaux Ampangambe: Nahatratrarana zaza tsy ampy taona ampiasain'ny orinasa

  • lundi, 14 octobre 2019 09:50
  • Tahirin-tsary Gasypatriote

Nisy fidinana ifotony nataon'ireo tompon'andraikitra momba ny asa teny an-toerana, tratra tamin'izany fa betsaka ireo mpiasa no tsy misy CNAPS, sy fiarovana ara-pahasalamana, misy zaza tsy ampy taona ihany koa ampiasain'ny orinasa.

Hatreto aloha tsy misy fiovana ny loto aterak'ity orinasa mpandredrika vy ity eny Ampangabe Analamanga, fa mitohy hatrany ny fandotoana ny tontolo iainana izay mamparary ny mponina eny an-toerana. Ny tompon'andraikitra ambony ao amin'ny ONE, na ny sampana miaro ny tontolo iainana, mahafantatra tsara ny toe-draharaha, fa tsy arenesam-peo.

Raha nisy kosa ny fampidirana ireo mpiasa amin'ny CNAPS sy ny fiarovana ara-pahasalamana ireo mpiasa maromaro andro vitsivitsy izao, dia hatreto tsy misy tohiny, ireo mpiasa vahiny aman-jatony, izay ny atsasany dia teraka ny 1 janoary avokoa, tsy fantatra na manana "Visa de travail", na fahazoan-dalana hiasa eto Madagasikara na tsia, ny lehiben'ny orinasa rahateo tsy misy sazy amin'ny tsy mety atao, fa toa vita mangingina hatrany ity raharaha ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.