Mpiasam-panjakana ambony: Nivoaka ny andiany « HARENA » tao amin’ny ENAM

  • vendredi, 11 octobre 2019 19:18
  • Sary nindramina

Navoaka ofisialy ary notsofin-drano androany, zoma 11 oktobra 2019, ireo mpiasam-panjakana ambony vaovao miisa 150 mandrafitra ny andiany « HARENA » rehefa niofana sy novolavolaina nandritra ny roa taona tao amin’ny ENAM (Ecole Nationale d'Administration de Madagascar) Androhibe, Antananarivo.

Andiany faha-27 izy ireto, ahitana « Inspecteurs de l’Administration Pénitentiaire » miisa 20, « Administrateurs Civils » miisa 44, « Agents Diplomatiques et Consulaires » miisa 20, « Ingénieurs des Services Topographiques » miisa 26, « Inspecteurs des Domaines et de la Propriété Foncière » miisa 15 ary « Inspecteurs du Travail et des Lois Sociales » miisa 25.

Nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny toekarena sy ny vola Randriamandrato Richard, izay ray mpiahy ny andiany miaraka amin’ny Tale jeneralin’ny ENSA Maroc, Rachid Melliani.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.