Ambaratonga faharoa: Lisea miisa 214 hanaovana andrana ny fandaharam-pianarana vaovao ho an’ny T10 sy T11

  • jeudi, 03 octobre 2019 17:59

Hisy fanavahana mazava ny sokajy « Littéraire » « Scientifique » ary ny OSE (Organisation, Société et Economie) satria tsy mifanaraka intsony amin’ny filan’ny tontolon’ny asa misy eto amintsika ny fandaharam-pianarana ampiasaina ankehitriny.

Nivoitra io nandritra ny atrikasa fankatoavana ny fandaharam-pianarana vaovao ho an’ny T10 sy T11 eny amin’ny ambaratonga faharoa, natao ny marainan’ny 01 oktobra 2019 tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa etsy Anosy Antananarivo.

Fandaharam-pianarana izay nasiam-panitsiana tamin’ny alalan’ireo teknisiana eo anivon’ny « Direction des Etudes et de la Recherche Pédagogique » na DERP, fitantanan-draharaha iray eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak’Asa, ary niaraha-nidinika tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny fanabeazana.

Halefa hanaovana andrana, mandritra ny herintaona, eny anivon’ny lisea miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana miisa 214 manerana Nosy io fandaharam-pianarana vaovao io, ary mbola afaka mandefa soson-kevitra ho fanatsarana izany ireo mpisehatra. Amin’ny taona 2022 vao tena hofaranana ny fandrafetana io fandaharam-pianarana vaovao io.

Nanambara ofisialy ny fankatoavana izany nandritra ny atrikasa ny Minisitra Volahaingo Marie Thérèse.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.