Praiminisitra Christian Ntsay: Misy misoloky amin’ny facebook

  • mercredi, 25 septembre 2019 19:34

« Tsy mbola nanana ary tsy nampiasa « facebook » mihitsy », io no fanambarana nataon’ny Fiadidiana ny praiminisitra androany, manoloana ny fahitàna fampiasàna hosoka eny amin’ireo tambajotran-tserasera izay ataon’ny olona manana fikasan-dratsy, indrindra fa ao amin’ny tambajotra facebook, izay manao fanambaràna ampahibemaso, amin’ny anarany manokana sy amin’ny maha-lehiben’ny Governemanta azy, ny Praminisitra Ntsay Christian, fa

Tsy tompon’andraikitra amin’izay mety ho fampiasàna ny anarana « Christian Ntsay » na « Ntsay Christian » ao amin’izany tambajotra izany, hoy hatrany ny fanambarana izay manantena ny fahamalinan’ny olom-pirenena rehetra mikasika io resaka io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.