Sambava: Hanorenana fonja vaovao

  • dimanche, 22 septembre 2019 10:32
  • Sary Gasypatriote Sambava

''Tafiditra ao anaty velirano ny filoham-pirenena dia ny fametrahana ny fandriam-pahalemana manerana ny Nosy, satria raha goragora ny fonja dia mbola ho afaka hirehareha ireo mpanao ratsy, isika koa anefa dia mandala izany fanajana ny zon'olombelona izany nefa ny ao amin'ny fonja Antalaha dia efa tafakatra roa arivo mahery raha tokony ho 285 no zakany. Na dia nania aza izy ireny dia olombelona tahaka isika ihany ka ny fitondrana mijoro amin'izao dia manaja izany zon'olombelona izany'', hoy ny Minisitry ny fitsarana Randrianasolo Jacques, izay tonga niatrika ny fametrahana ny vatofehizon’ny fanorenana fonja eto Sambava.

Ity fonja ity dia atao hahazaka voafonja eo amin'ny 400 eo ary haharitra hatramin'ny volana Desambra 2019 ny asa.

Nitodika manokana tamin’ireo mpandraharaha ny fonja ihany koa ny minisitra mba hanaja ny zon'olombelona ary hanalavitra ny kolikoly.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.