Sociale

    • jeudi, 16 mars 2023 18:35
    • Sary nindramina

    Distrikan’i Maroantsetra : Mitohy ny fanarenana ny fotodafitr’asa hampandrosoana ny tanàna

    Nisy ny asa tagnamaro natao tao amin’ny Kaominina Ambinanintelo Distrikan’i Maroantsetra, natao ny Alakamisy 16 Mars 2023, izay naompana tamin’ny fanamboaran-dalana miainga avy eo Ambinagny-Andranasana hatrao Ambinanitelo. Izao no tanteraka dia noho ny fifanomezan-tanana teo amin’ny Fokonolona, ireo Zanaka ampielezan’Ambinanintelo, ireo Mpandraharaha, ireo mpitondra ao an-toerana, ary ny tosika sy tolo-tanana nataon’ny Filoha Lefitry ny Antenimierandoholona, Besoa Erick. Talohan’izao dia nisy ihany koa ny asa tagnamaro nanadiovana Kanaly eo amin’ny 10km tao amin’ny Fokontany Ankiakandrefana, Kaominina ambonivohitra Maroantsetra natao ny Talata 14 martsa 2023.
    Lire la suite ...
    • mardi, 14 mars 2023 12:40
    • Sary nindramina

    Fiaraha-miasa ara-pahasalamana : Andiana mpitsabo Sinoa miisa fito hiasa roa taona eto Sambava

    Noraisina sy naseho ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eto Sambava, sy ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny hopitalibe CHRR Besopaka, Sambava ny Alatsinainy 13 martsa 2023, ireo andiana mpitsabo Sinoa hiasa aty an-toerana. Andiany faha 23 ireto tonga eto Sambava ireto, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta Malagasy sy Sinoa. Miisa fito mianadahy no mandrafitra azy, ka dokotera ny fito, miampy mpahandro iray (Dr Chirurgien 1, Dr ORL 1, Dr Pharmacienne 1, Dr spécialiste en acupuncture 1, Dr Généraliste 1, Dr Gynécologue 1, Dr Anesthésiste et réanimateur 1 ary Cuisinier 1). Haharitra 2 taona ny fe-potoana hiasan'izy ireto eto Sambava. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 10 mars 2023 18:06

    Politekinika Vontovorona : Miverina amin'ny laoniny ny fianarana

    Nanao fanambaràna ny Filohan'ny Oniversite Mamy Ravelomanana, androany zoma 10 martsa 2023, fa efa niverina ny fandriampahalemana eny Vontovorona, ary rehefa nifampidinika tamin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Sekoly ambony Politekinika, dia afaka miverina amin'ny laoniny ny fampianarana rehetra, araky ny fandaminana apetrak'ireo mpisehatra aram-pampianarana eny an-toerana.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 07 mars 2023 18:51
    • Sary nomena

    Famatsiana : Tsy misy ahiana ny vary sy siramamy ary menaka, manerana ny Nosy

    Tsy misy ahiana ny vary, siramamy ary ny menaka, manerana ny Nosy. Efa midina tsikelikely rahateo ny vidim-bary, vokatra avy eto an-toerana, ho an'ny mpanjifa, izay mety mampidina ny kitapom-bolan'ny tantsaha mpamokatra. Ny faritra rehetra no rakotra vary, nasiana ezaka manokana ireo tratry ny loza voajanahary. Misy ny fandrindrana ny fitaterana sy fanapariahana ny PPN. Raha ny teto Antananarivo sy ny manodidina dia tsenakely 143, tamin’ny Fokontany 39, no nanapariahana vary tsinjo 35t, raha 1,8t ny siramamy naterina tamin’ny tsenakely 36, tanatin'ny Fokontany 18.
    Lire la suite ...
    • samedi, 04 mars 2023 12:39
    • Sary nomena

    Besoa Erick : Mifanome tanana hampandrosoana ny tanàna

    Nitarika ny Vahoaka maherin’ny 2000 isa, tao amin’ny Kaominina Anjanazana ny Filoha Lefitry Antenimierandoholona Besoa Erick, ny alakamisy 02 martsa 2023 teo, nanao fanadiovana ny lakandrano (Gamanta), mirefy 5,8km. Fandatsahan-drano ao anatin’ny lemak’i Ampagno sy Anjanazana no anton’ity asa tanamaro ity, mba ho afaka hamoka-bary tsara ireo tantsaha, ary hanampy ny tantsaha aty an-toerana ihany koa amin’ny fiompiana omby. Nisaotra ny Loholona Besoa Erick ireo mponina mpahazo tombontsoa amin’ity asa lakandrano ity.
    Lire la suite ...
    • mardi, 28 février 2023 16:51
    • Sary nomena

    Mananjary : Hisokatra amin'ity herinandro ity ny Tsena Mora

    Hiverina hisokatra amin'ity herinandro ity ny Tsena Mora any Mananjary. In-droa isa-kerinandro, dia ny Talata sy Alakamisy, no ahafahan'ny mponina manjifa amin'izany tsena izany. Vary 32 taonina no efa niala teto Antananarivo omaly 27 Febroary 2023 hamatsiana ny Tsena Mora any Mananjary. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 26 février 2023 19:35
    • Sary nindramina

    Ifanadiana : Tonga ny fanampiana ho an’ny traboina navelan’ny rivodoza FREDDY

    Na dia tsy nandalo tao Ifanadiana mivantana aza ilay rivodoza FREDDY, dia namela takaitra tany an-toerana ihany ny rivotra sy ny ranobe nentiny, ka ankoatran'ny fahasimbana teo amin'ny fambolena, dia maro ireo trano dibo-drano sy ny tafo niongotra tany an-toerana. Tapaka tanteraka, na mitsitapitapy, zara raha mahazo ny fifandraisan-davitraa. Ny Kaominina Androrangavola sy Marotoko, ary Ambohimanga Sud no nahitana fahasimbana kokoa noho ireo Kaominina voakasika mivantana ireo. Ny tao amin'ny Kaominina Ambiabe kosa efa samy nanaraka ny toromarika ny vahoaka ka tsy dia nisy loatra ny fahasimbana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 février 2023 20:32
    • Sary nomena

    Mananjary : Tonga ny fanampiana ho an’ny traboina noho ny rivo-doza Freddy

    Tonga tao Mananjary nitondra fanampiana sy nankahery ireo fianakaviana traboina sy tra-pahasahiranana, vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy, ny alin'ny talata hifoha ny alarobia lasa teo, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany 24 febroary 2023. Vary, menaka, siramamy, kits solaires ary kojakoja samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro no natolony tamin’izany. Nitondra ny teny fampiononana sy fankaherezana ho an’ireo namoy havana ihany koa ny tenany. Nanolotra moto vaovao ho an’ireo Ben’ny tanàna ao amin’ny distrikan’i Mananjary sy ambulance 4X4 vaovao misy fitaovana harifomba ho an’ny distrikan’i Mananjary, Vohipeno, Ikongo ary Nosy Varika ny fanjakana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 février 2023 18:42

    Fikambanan'ny Zanaky ny Faritanin’i Fianarantsoa : Sady hifampiarahaba tratry ny taona, no hanao asa sosialy

    Ho ambohimpihaonan’ny Zanaky ny Faritanin’i Fianarantsoa ao amin’ny Kianja Don Bosco Ankofafa Fianarantsoa, ny sabotsy 25 febroary izao. Hotanterahina amin’io andro io ny fifampiarabana tratry ny taona 2023, hataon’ny FIZAFAFI na Fikambanan'ny Zanaky ny Faritanin’i Fianarantsoa. Vahoaka manodidina ny 40 000 no andrasana avy amin'ny Faritra 6 mandrafitra ny Faritany amin’izany. Hisy ny asa sosialy mialoha ny fotoana, ka 1 500 tokatrano no vinavinaina hisitraka tohana ara-tsosialy ataon’ny Fikambanana. Hetsika fanao isan-taona ny toy izao, izay mitety ny Faritra, ka raha tamin'ny alalan'ny fambolen-kazo tao Ihorombe no nanamarihana izany ny taona lasa, dia asa sosialy ao Fianarantsoa no hanamarihana azy amin'ity 2023 ity.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 février 2023 18:05
    • Sary nindramina

    Antenimierampirenena : Namboly zana-kazo miisa 5 000 fototra

    Nanatanteraka ny fambolen-kazo, toy ny fanaony isan-taona, ny Antenimierampirenena, ny zoma 17 febroary 2023. Fambolen-kazo izay notarihin-dRamatoa Filoha RAZANAMAHASOA Christine, sy ireo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra. Teny Lohalampy Tsiafahy, Kaominina Bongatsara Atsimondrano no toerana nosafidiana nanatanterahina izany fambolen-kazo izany, ka zana-kazo miisa 5 000 no novolena. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 253