Faritra Atsinanana : Hanao tatitry ny zava-bitany sy ny hatao ny Governora Rafidison Richard Théodore

  • jeudi, 16 mars 2023 14:26
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Telo taona izao no naha Governoran’ny Faritra Atsinanana an’Andriamatoa Rafidison Richard Théodore. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 4 martsa 2020 ny didim-panjakana fanendrena azy.

Izy no Governora faha-14 voatendry hatramin’ny septambra 2019 no mankaty.

Hanao tatitry ny zava-bitany nandritra izay telo taona nitantanany ny Faritra Atsinanana izay izy ny zoma 17 martsa, lanonana hatao ao amin’ny Amphithéâtre PACT SPAT.

Mandritra io fotoana io koa no hanoritsoritany ny asa fampandrosoaana ho an’ny taona 2023.

Tanora manampahaizana Rafidison Richard Théodore. 17 taona teo amin’ny sehatry ny asa, ka ny 12 taona tamin’io nisahanana ny fampandrosoana ifotony sy fanohanana ireo vondrombahoakam-paritra, teo anivon’ny ministeran’ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana.

Efa Tale nisahana ny fanatevenana traikefa mikasika ny FDL (Fonds de Développement Local) tao Antananarivo izy, nanomboka tamin’ny 2014, ary « Coach » mpisolo-toerana ho an’ny Faritra Atsinanana.

Nandalim-pahaizana manokana momba ny fampandrosoana ifotony tao amin’ny ENA (Ecole Nationale d'Administration) Paris any Frantsa ihany koa ity Governoran’ny Faritra Atsinanana ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.