Lisitry ny mpifidy : Nisoratra anarana i DAX Barea

  • mardi, 14 mars 2023 18:35
  • Zakaria
  • Sary CENI

Nitsidika teny amin'ny Fokontany Ambodivonkely Ambohimanarina, ary nijery ifotony ny fizotry ny asan’ny Fokontany, amin’ny fisoratana anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy ny tompon'andraikitra eo anivon’ny CENI foibe, notarihin’ny Filohany DAMA Arsène androany Talata 14 martsa 2023.

Nisy ihany koa hetsika fanentanana ny olom-pirenena, niarahan’ny CENI tamin’ireo 6 mirahalahy, mpilalao baolina kitra eo anivon’ny ekipam-pirenena Barea CHAN. Ny iray amin’izy ireo, Dax, dia nisoratra anarana tao amin’ny lisitry ny mpifidy tety amin’ity Fokontany ity androany.

Naneho fankasitrahana azy 6 mirahalahy ny Filohan’ny CENI noho fanoloran-tenan’izy ireo handray anjara amin’ny fanentanana ny olom-pirenena : hisoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy, ary handray anjara handatsa-bato rehefa tonga ny fifidianana.

Nambaran’ny Filohan’ny CENI teny an-toerana androany fa hisy ny fitsirihana ny rindrambaiko sy ny fikirakirana ara-kajimirindra - na ‘’Audit du logiciel et des systèmes d’informations”, hataon’ny OIF Frankofonia eo anivon’ny CENI, manomboka ny herinandro ho avy izao.

Hampahafantarina ny olom-pirenena ny vokatr’izany mialoha ny 23 martsa.

Hisy ny 24 martsa 2023 izao, ny dinika hifanakalozan-kevitra hifanaovan'ny CENI amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana : ny firaisamonim-pirenena, ny mpanao politika, ireo avy amin’ny hainovakijery ary ireo vondrona sy rafi-piarahamonina samihafa, hisian’ny zotram-pifidianana azo antoka sy mangarahara, fa indrindra andraisan’ny rehetra anjara.

 

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.