Tsimbazaza : Nanomboka androany ny asam-baomiera handinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana

  • mardi, 22 novembre 2022 18:44
  • Zakaria
  • Sary : Antenimieram-pirenena

Nanolotra ny famelabelarana amin’ny ankapobeny ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny ny taona 2023 ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, nandritra ny fivoriambe tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza androany talata 22 novambra 2022.

Nampatsiahivin’ny Minisitra fa mifototra sy miainga avy amin’ireo veliranon’ny Filoham-pirenena ny teti-bolam-panjakana, ary mifanandrify amin’ny lalan-tsain’ny “Emergence de Madagascar”.

Ny fironana ankapobeny dia mitodika bebe kokoa amin’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, ny famporisihana ny mpampiasa vola eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny indostria. Eo ihany koa ny fametrahana foto-drafitrasa lehibe, izay mandray anjara amin’ny fampitomboana ny harikarena faobe, sy ireo foto-drafitrasa sosialy.

Araka izany dia vinavinaina ho 4,9% ny tahan'ny fitomboan’ny harikarena faobe.

Ny mikasika ny vola miditra dia ezahina ny fampitomboana isa ireo mpampiasa vola eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fanamorana sy fanovana ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola, na ny “loi sur les investissements”, ary ny fanalefahana ireo fepetra ara-ketra isan-karazany.

Ampidirina anatin’ny ara-dalàna ihany koa ireo tsy mbola misehatra anatin’izany.

Ny momba ny fandaniana indray dia hisy ny famerana ny sora-bolan’ny andrim-panjakana sy ny ministera mba tsy hisian’ny fatiantoka amin’ny teti-bola na “déficit budgétaire”.

Tetikasa lehibe amin’ny taona 2023 ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ny fotodrafitrasa famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, ny fantsona lehibe mitondra ny pipeline EFAHO, ary ireo fotodrafitrasa amin’ny sehatry ny fampianarana, ny fahasalamana ary ny lalana.

Mitohy hatrany ireo ezaka efa natomboka, toy ny ODOF, tetikasa “titre vert”, ny toha-drano, ny tanàna vaovao, ny fiahiana ara-tsosialy sns… amin’ny alalan’ny famatsiana anatiny sy ivelany.

Nanomboka androany ihany koa ny asam-baomiera handinihana io volavolan-dalàna io.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.