Lapan’i Tsimbazaza : Andron’ny parlemantera handinihana ny fiovan’ny toetr'andro

  • mardi, 22 novembre 2022 11:23
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Notanterahina ny alatsinainy 21 novambra 2022 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Andron’ny parlemantera handinihana ny fiovan’ny toetr'andro, nitondran’ireo teknisiana avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy fanazavana sy famelabelaran-kevitra teo amin’ireo solombavambahoaka.

Nosafidiana manokana ny Antenimieram-pirenena noho ireo solombavambahoaka akaiky ny Vahoaka, no sady mahalala ny zavatra rehetra mitranga eny ifotony.

Fanazavana mahakasika ny antony, ny fisehony, ny fiantraikany sy ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr'andro, ary ny drafitra sy ny tetikady entina hiarovana sy ho fanarenana ny firenena, ary ny fitadiavana famatsiam-bola enti-miady amin’izany.

Dingana lehibe ny fahavitan’ny Plan National d’Adaptation na PNA sy ny CDN2 na Contribution Determine National, izay mirakitra ireo drafitra sy tetikady entin’i Madagasikara miatrika sy miady amin’ny fiovan’ny toetr'andro.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.