Faritra Analamanga : Nanao "team building" tatsy Maorisy ny mpitantana

  • lundi, 21 novembre 2022 14:54
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanatanteraka atrikasa na "team building" nandritra ny 4 andro tatsy amin'ny Nosy Maorisy ny Governora Hery Rasoamaromaka, sy ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Faritra Analamanga.

Araka ny fanazavan'ity farany dia fanasana azony tamin'ireo mpiara miombon'antoka avy atsy amin'ny Nosy Maorisy no nanatanterahana izany Atrik'asa izany, izay niompana tanteraka tamin'ny resaka fambolem-bary, ny fiompina trondro ary ny fanorenana, no natao tany, ary tsy ho ela dia hisy ny fiaraha-miasa hatao momba io sehatra io.

Notsindriany fa tsy nisy tetibola avy amin'ny Faritra Analamanga nivoaka na ny Ariary aza tamin'ny dia natao tany Maorisy izao.

"Izao fihetsika izao ihany koa no nataoko dia mba ho fisaorana sy fankasitrahana ireto mpiara miasa amiko ireto, izay niasa tsy nandry andro sy alin,a eny na andro tsy fiasana aza, ka nazahoan'ny Faritra Analamanga vokatra maro nandritra izay fotoam-piasana 3 taona izay" hoy ny Governora.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.