PDCID II : Kaominina 74 no hisitraka ity fandaharanasa ity

  • mardi, 20 septembre 2022 19:17
  • Zakaria
  • MID

Notanterahina ny alatsinainy 19 septambra 2022 tetsy amin'ny FDL Anosy ny lanonana fanamarihana ny fanombohan'ny fandaharanasa PDCID II (Programme de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation).

Kaominina miisa 74 ao anatin'ny Faritra Boeny sy DIANA no hahazo tombontsoa mivantana amin'izany.

Mitentina 17,3 tapitrisa Euros ny famatsiam-bola avy amin'ny Banky alemana KFW hanatanterahana ny PDCID II, ka ny 830 000 euros amin'io dia fandraisana anjaran'ny Fanjakana Malagasy.

Haharitra dimy taona ny hanatanterahana ny asa amin'ny alalan'ny "Fonds de Développement Local" (FDL).

Anisan'ny miantoka ny fizakan-tena sy fampandraisana andraikitra ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ity fandaharanasa ity, amin’ny alalan’ny fanatsarana ny tolo-draharaham-panjakana sy ny foto-drafitrasa eny ifotony.

Nidera ny ezaka rehetra ataon'ny Ministera amin'ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara i Konrad STERNISKO, " Chargé de coopération auprès de l'Ambassade de la République Fédérale d’Allemagne", indrindra amin'ny fandaniana ny Lalàna mamaritra ny raki-kevitra momba ny fitsinjaram-pahefana miabo, sy ny fandrafetana ny drafi-pirenena momba ny fanatanterahana an'izany raki-kevitra izany.

Ity farany moa dia nanamafy niaraka tamin'ny delegasiona avy amin'ny KFW ny fahavononan'ny Repoblikan'i Alemana hanohana hatrany ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ireo, ary ny fampandrosoana an'i Madagasikara no imasoany.

Nanamafy ny Minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, ny fahavononany, miaraka amin'ireo sampan-draharaha eto anivon'ny ministera, ny ampandroso hatrany ny ezaka amin'ny fampandraisana andraikitra ny eny ifotony, hisian'ny fitsinjaram-pahefana tena izy, izay ezaka ataon'ny fitondrana ankehitriny.

(Loharano : MID)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.