Fanatsarana ny famatsian-drano : 220 tapitrisa dolara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena

  • jeudi, 16 juin 2022 09:55
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Voasonia ny Alarobia 15 Jona 2022 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanaraham-piarahamiasa teo amin'ny Fanjakana Malagasy, izay nisoloan-dRamatoa Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo tena, sy ny solon-tena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena, Ramatoa Marie-Chantal Uwanyiligira, izay miompana amin'ny sehatry ny rano.

Mitentina 220 tapitrisa dolara amerikana ity famatsiam-bola ity, ary ezahina ny hisitrahan'ny Malagasy maherin'ny 625 000 rano fisotro madio.

Nanatrika izany ny Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA, ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, RAVOKATRA Fidiniavo ary ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, RANDRIAMANDRATO Richard.

Hisy fiantraikany mivantana amin'ny vahoaka ity tetikasa ity hoy ny Filoham-pirenena ary azo refesina tsara.

Anatin'ity tetikasa ity ihany koa ny fanavaozana ireo fantsona fitarihan-drano ao Antananarivo sy ny manodidina, ary ireo faritra tafiditra anatin'ny tetikasa, satria efa antitra izy ireny.

Notsindrian-dRamatoa Marie-Chantal Uwanyiligira tao anatin'ny lahateniny fa fampiasam-bola maharitra ny rano, satria voaporofo tanatin'ireo fikarohana samihafa fa raha toa mampiasa 1 dolara amerikana ho an'ny rano dia miverina ho 3 dolara amerikana izany.

Marihina fa ny 50%n'ity famatsiam-bola ity dia tsy averina, ary ireto manaraka ireto no hisitraka izany : Antananarivo sy ny manodidina, Antsiranana, Mahajanga, Fianarantsoa, Manakara ary Antsirabe.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.