Androy : Fotodrafitrasa maromaro no indray hotokanana

  • mercredi, 15 juin 2022 13:46
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Ho fararanon-danonana ao Ambovombe Androy amin’ity herinandro ity. Fotodrafitrasa maromaro no indray hotokanana ny zoma 17 jiona ho avy izao, dia ny Kianja manarapenitra Andaboly, ny lalana rarivato ao Beabo, ny birao vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Asam-panjakana, ny asa ary ny raharaha sosialy ao Mangarivotra, ny lisea manarapenitra ao Ambaro.

Hanamarika io andro io ihany koa ny lanonana ofisialy ho fanombohana ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13.

Hitarika izany any an-toerana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.