Madagasikara – Frantsa : Hanamafy ny fiaraha-miasa ara-tafika

  • mardi, 14 juin 2022 14:00
  • Zakaria
  • Sary : Fiarovam-pirenena

Nihaona tamin'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Frantsay, Sébastien Lecornu, ny Minisitry ny Fiarovam-Pirenena Malagasy, ny Jeneraly Richard Rakotonirina, nandritra ny fitsidihany sy fivahinianany ao amin'ny fampiratiana « Eurosatory 2022 », ao Paris.

Voaresaka tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo anivon’ny roa tonta, mba hanatsarana ny fampitaovana ireo miaramila Malagasy, hampitomboana ny vokatra tsara amin’ny asa hatrehany eny anivon’ny Vahoaka.

Ao anatin’ny fanavaozan-drafitra tanteraka ny Tafika Malagasy ankehitriny, mifanindran-dalana amin’izany ny fivoaran’ireo fitaovana ampiasaina mba hanantaterahina ireo iraka ankinina aminy, ho fiarovana ireo vahoaka sy ny fananany.

Mifandraiky amin’izany dia manatrika ny fampirantiana iraisam-pirenena « Eurosatory 2022 », ao Paris ny 13 ka hatramin’ny 17 Jona 2022 ny delegasiona Malagasy, izay tarihin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard.

Ity fampirantiana goavana ity, dia fampisehoana ireo fitaovam-piadina sy fitaovana maro samihafa entin’ireo miaramila manantanteraka iraka eny an-kianja, ka hanehoan’ireo firenen-dehibe misehatra eo anivon’izany, toy ny Amerikana, ny Sinoa na koa Indiana, ireo fitaovana vokariny avy.

Fotoana iray hahafahan’i Madagasikara manamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena maro amin’ny alalan’ireo tompon’andraikitry ny fiarovana, sy ireo mpamokatra fitaovam-piadiana avy any aminy ihany koa, izao fampirantiana izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.