Paik'ady momba ny fehezan-dalàna famaizana : Nasiana fanitsiana hiarovana ireo préfet sy Ben'ny tanàna amin'ny fanejehana azy

  • mardi, 14 juin 2022 13:14
  • Tigre

Nolaniana teny anivon'ny Antenimieram-pirenena omaly alatsinainy 13 jona 2022 ny fanitsiana ny Paik'ady momba ny fehezan-dalàna famaizana, na ny code de procedure pénale, indrindra ao amin'ny andininy faha 514, entina hiarovana ireo Préfet, lehiben'ny distrika, ary ireo Ben'ny tanàna amin'ny mety fanenjehana azy ireo, amin'ny heloka mety ho vitan'izy ireo, mandritra ny fotoam-piasany.

And 514 (Vaovao), (Misaotra ireo namana mpahay lalàna nanome ny dika malalaka).

"Rehefa ny préfet, ny préfet de police, ny lehiben'ny distrika na ny lehiben'ny boriboritanim-panjakana dia mety ho voapanga amina heloka bevava na heloka tsotra, natao teo ampanatanterahana ny asany, ny fanenjehana dia tsy azo alefa raha tsy misy alalana avy amin'ny Tonia mpampanoa ambony ny Fitsarana ambony, sy rehefa avy nampandre ny Minisitra misahana ny atitany.

Rehefa ny Ben'ny tanàna na ny lehiben'ny faritra, dia mety ho voapanga amina heloka bevava na heloka tsotra natao teo ampanatanterahana ny asany, ny fanenjehana dia tsy azo alefa raha tsy misy alalana avy amin'ny Tonia mpampanoa ambony ny Fitsarana ambony, sy rehefa avy nampandre ny Minisitra misahana ny fitsinjaram-pahefana".

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.