Fiainana antoko : Nofoanana ny Redynamisation ny TIM nokasaina atao tao Antsirabe

  • dimanche, 29 mai 2022 13:18
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tsy nahazo alalana avy amin'ny avy amin'ny Prefektiora Antsirabe ny Redynamisation nokasain'ny antoko Tiako i Madagasikara na TIM atao ao Antsirabe ny sabotsy 28 mey 2022 tamin'ny 11ora.

Nanapa-kevitra ny foiben'ny antoko nanafoana ny hetsika noho io sakana avy amin'ny Prefektiora io.

"Fanajana tanteraka no nomena ny fitondram-panjakana kanefa izao no valiny. Tsy midika ho fahatahorana nefa ny tsy fanatotosana ny hetsika, fa ho tombotsoan'ny rehetra dia tsy handray fanampahan-kevitra akamehana izahay", hoy ny fanambarana nataon'ny TIM.

Nilaza ireo mpikambana ao amin’ny birao politikan'ny antoko fa "manomboka izao tsy haka fahazoan-dalana avy amin'ny fitondram-panjakana intsony ny mpanohitra manoloana ireo ho atao ka mahasoa ny firenena".

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.