Cnaps : Misy ny fikasana anangana ny CNAPS INVESTISSEMENT

  • mercredi, 11 mai 2022 17:04
  • Tigre

Efa tamin'ny volana desambra 2020 no efa nanomana ny teo anivon'ny filan-kevim-pintantanan'ny Cnaps ny ananganana orinasa manokana CNAPS INVESTISSEMENT, izay akana alalana amin'ny ministeran'ny vola sy ny teti-bola.

Société Anonyme avec Conseil d'administration no endrika hijoroany, ka ny Tale jeneraly no hisolo tena izany orinasa ara-barotra vaovao izany.

Raha ny angom-baovao azo, dia mihoatra ny 3 ireo tompon'ny petra-bola amin'izany :

- Ny Fanjakana, izay ny Tale Jeneralin'ny Cnaps no misolo tena azy ;
- Miampy olona 3 hafa, izay ny Tale Jeneralin'i Cnaps ihany daholo no manendry azy.

Samy manana petra-bola avy ireo mpiara-miombon'antoka ireo (Actionnaire), ka ampanaovina fanekena an-taratasy fotsy, tsy misy daty fa voasonia mialoha, fa azo sotonina aminy ireo petra-bola nomena azy ireo raha misy fanapahan-kevitra hafa isintonan'ny Cnaps izany, bordereau de transfert d’action en blanc (non daté).

Mpikambana ao anatin'ny Filan-kevim-pitantanan'ny Cnaps Investissement ity, ny Talen'ny fitantanam-bola eo anivon'ny Cnaps, miampy olona roa hafa manana fahaizana manokana, izay tendren'ny Tale Jeneralin'ny Cnaps hatrany.

Misy moa arak'izany ny Filohan'ny Filan-kevim-pitantanan'i Cnaps Investissement, sy ny Tale jeneraly mitantana azy.

Apetraka ny fiarahan'ny Cnaps reniny sy ny Cnaps Invest, izay tsy hifampiditra amin'ny fananana, tsy voafetra ny fiaraha-miasa, na misy fetra fa azo avaozina tsy mila fifanarahana vaovao.

Azo omena vola tambiny amin'ny fiaraha-miasa ny Cnaps Invest.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.