ACM : Mampatsiahy ny tsy amoahana ireo serasera mifandray amin'ny fiarovana ny fiaramanidina

  • jeudi, 03 février 2022 14:19
  • Tigre

Tamin'ny alalan'ny naoty, navoakan'i tale jeneralin'ny AVIATION CIVILE DE MADAGASCAR na ACM, andriamatoa Gérard Rabetokotany, ny talata 01 febroary 2022, no nilazany fa voarara ary mahavoasazy, ho an'ireo rehetra mpiantsehatra amin'ny fifamoivoizana anabakabaka ny famoahana na fizarana serasera mahakasika ny fiarovana ny abakabaka sy ny fiaramanidina ary ireo mpandeha mifamezivezy eto Madagasikara.

Nandefasana dika mitovy amin'izany naoty izany avokoa na ny minisitry ny fitaterana, ireo mpiandry ny sisin-tany, ny ladoany, ireo kaompaniam-pitaterana rehetra miasa eto an-toerana, eny hatramin'ireo mpahandro sy mpamatsy sakafo sy mpanadio fiaramanidina.

Hatreto moa tsy mbola naharenesam-peo ny ACM, izay mandrindra ny fifamoivoizana anabakaka sivily eto Madagasikara, momba ny fanomezana alalana manokana ilay fiaramanidina TOA saika hiazo an'i Moroni, ka nidina tao Mahajanga, izay tsy azo atao araky ny fepetra napetraka tamin'ny kaompania rehetra.

Tsy mbola re koa moa ny fanohizana ny dia any Moroni io fiaramanidina nofain'i banky iraisam-pirenena io, rehefa niverina 5minitra taorian'ny fiaingany tao Mahajanga, fa nisy fahasimbana, ary niverina aty Antananarivo ny ampitso, nefa tsy nanainga ho any Moroni intsony hatramin'ny androany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.