Ministeran’ny Fitsarana sy SMM : Mitovy ny tadin-dokanga, iray ny feo

  • jeudi, 03 février 2022 14:17
  • Zakaria
  • Sary : Minjus

Tokana ny tanjona dia ny hanasoa ny asam-pitsarana sy hitsinjo ireo Mpitsara ary hanatsara hatrany ny fifandraisana. Nivoitra ireo ny Alakamisy 03 Febroary 2022, nandritra ny fihaonana teo amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza, sy ny delegasiona avy amin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), notarihin’ny Filoha vaovao, Atoa Andriantsihorisoa Mbitanarivo.

Vonona ny Ministeran’ny Fitsarana ny hifanome tanana, ary tsy manakatom-baravarana ihany koa ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, hiara-misalahy amin’ny SMM.

Tsiahivina fa telo taona no fe-potoana hitarihan’ny Filoha vaovao ny SMM. Ny Alakamisy 11 Novambra 2021 no tontosa ny fifidianana, teny amin'ny Fitsarana Tampony Anosy, sy ireo Fitsarana manerana an'i Madagasikara, ary telo no kandida nirotsaka.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.