Mali : Noroahin'ny fitondrana miaramila ny Ambasadôro Frantsay

  • mardi, 01 février 2022 20:51
  • Tigre
  • Tahirin-tsary nindramina

Nomen'ny miaramila, izay naka ny fitondrana any Mali fe-potoana 72ora, nanomboka omaly alatsinainy 31 janoary 2022, ny Ambasadôro frantsay Joël Meyer hiala any Mali, taorian'ny "teny maniratsira", araka ny fandraisan'ireo mpitondra any Mali ankehitriny, nataon'i lehiben'ny diplomasia, minisitry ny raharaham-bahiny frantsay Jean-Yves Le Drian ny 27 janoary lasa teo.

Nanome fetr'andro anesoran'i Danemark ireo miaramila ao anatin'ny hery eoropeanina "Takuba", izay ny frantsay no mitana ny fibaikoana, ihany koa ireto Miaramila naka fanjakana any Bamako Mali ireto.

Nilaza moa ny fitondrana Danemark fa fitondrana mpanongam-panjakana tsy manara-dalàna ireto Miaramila ireto. Ary miantehatra amin'ny mersenera rosianina Wagner.

Naka fepotoana 15 andro ihany koa Lafrantsa andinihany ny ho ataony amin'ireo miaramila frantsay mbola mihantsona any an-toerana ankehitriny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.