TINOKA Roberto : Niantso ny firaisankinan'ny Malagasy manoloana ny voina mihatra amin’ny mpiray Tanindrazana

  • mardi, 25 janvier 2022 09:18
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tonga nanotrona sy nankahery ary nanampy ireo traboina ety amin’ny faritra Analamanga ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro TINOKA Roberto ny alatsinainy 24 janoary, niaraka tamin’ny Governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka ary ny Solombavam-bahoaka Andry Ratsivahiny.

Traboina miisa 6 200 tao Anosizato Andrefana, ary 5 476 teny Tanjombato Ambohimanatrika no notolorana fanampiana toy ny vary, menaka, savony sy karazan-tsakafo ilaina amin’ny andavanandro.

Araka ny nambarany dia noho ny fiovan’ny toetrandro maneran-tany sy ny hafanan’ny tany no mahatonga ny fotoam-pahavaratra sy ny rivodoza miha mahery vaika hatrany ka miteraka voina tahaka izao.

Niantso ny firaisankina sy ny firaisam-pon'ny samy Malagasy ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro manoloana izao voina mitranga eto amin’ny Firenena sy mihatra amin’ny mpiray tanindrazana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.