RN7 : Mbola misy ve ny Fonds Routier ?

  • lundi, 24 janvier 2022 18:44
  • Tigre
  • Sary nindramina

Isaky ny mividy solika 1litatra, dia akan'ny fanjakana haba 30%, izay ny ampahany betsaka amin'io mandeha any amin'ny fikojakojana sy fanamboaran-dalana. Izany hoe raha mividy lasantsy 4100ar ny litatra, dia ny 1506ar amin'iny dia hetra sy haba.

Mandrotsaka gazoala 1 litatra amin'ny 3400ar, dia ny 956ar, dia omena ny fanjakana.

Hatreto aloha, na ireo lalana efa vita aza dia tsy voaloa vola ireo mpandraharaha. Ny kaominina moa dia mijery fotsiny, raha tsy hijery lavitra afa tsy ny eto an-drenivohitra, izay vao maika moa miharatsy hatrany ny lalana, ny service cantonnier, mpanala bozaka amin'ny sisin-dalana, sy manao kojakoja madinika dia efa tantara lovain-jafy sisa.

Ny Travaux publics eo anivon'ny ministera, dia zary anarana sisa.
Hatramin'izay nanankinana ny orinasa tsy mianikana ny fikojakojana ny lalana, ka niala andraikitra ny fanjakana, dia roboka lasa bizina ny fanamboaran-dalana, ka na avela ho simba tanteraka, ahabetsaka ny vola avoaka, ary hilazana fa maika ny asa, dia tsy voatery hisy tolo-bidy, na afindra projet présidentiel, dia afaka amin'ny fepetra fanaraha-maso mavesatra, ka dia miainga ny samy akamakama.

(Sary nindramina, Tetezana Ambodirano, PK11 sud de Fianarantsoa.)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.